Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko voalohany

17 Tsy ny hanao batemy no nanirahan'ny Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin'ny laha-teny kanto anefa, fandrao foanan'izany ny hazo fijalian'ny Kristy.

18 Fa hadalana ny fampianarana ny amin'ny hazo fijaliana ho an'izay very, ary herin'Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, 19 satria voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry; ary holaviko ny fahaizan'ny mahay. 20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr'izao tontolo izao? Tsy nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21 Fa noho ny fahendren'Andriamanitra, dia tsy nahalala an'Andriamanitra ny fahendren'izao tontolo izao ka dia hadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjena an'izay mino. 22 Fa ny Jody mila famantarana; ny jentily mitady fahendrena; 23 ary izahay kosa mitory ny Kristy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny jentily; 24 fa ny Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na jentily. 25 Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0592